07/11: Ny framasao sy ny fanjakan'izao tontolo izao
Sokajy: Ny fahavalo
Nosoratan'i : Administrator

Ny zavatra mahalasa saina dia ny fanasana atidoha ny vahoaka. Rehefa misy Kristianina mijoro momba ny raharaham-pirenena mantsy dia pempoina avy hatrany fa tokony sarahina hono ny finoana sy ny fanjakana. Misy fahamarinany ihany anefa izany raha ny tenin'i Jesoa Kristy no arahina amin'ilay hoe: "ny fanjakako tsy fanjakan'izao tontolo izao". Raha Tenin'i Jesoa io no dinihina dia tsy ny framasao velively no misakana ny olona matotra ara-pinoana tsy hanao politika "maloto". Tsy menatra ny miady seza sy voninahitra intsony, ary mifamono mihitsy aza ny mpanao politika sy framasao sasany fa ny olon'i Jesoa kosa miandrandra ilay "fitoerana ao an-tranon-dRay" izay namboariny.
Inona kosa ny fanirianao? Manantena zavatra avy amin'ny framasao sa avy amin'i Kristy?
Ny Administrator